Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beach volley – Coupe de la Zone 7 : nivoaka ny lisitry ny ekipa nasionaly

Beach volley – Coupe de la Zone 7  : nivoaka ny lisitry ny ekipa nasionaly

Efa antomotra ny fotoana. Hotanterahina eto amintsika, any Mahajanga, eo amin’ny Soma Village, ny 7 – 10 jolay izao, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny “Coupe des Nations de la Zone 7” eo amin’ny taranja beach volley.

Araka ny vaovao, nivoaka ny listra ofisialin’ny ekipa nasionaly hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity hetsika iraisam-pirenena ity. Mpilalao valo, lahy sy vavy, no voatazona mandrafitra ny ekipa nasionaly amin’izany. Marihina mantsy fa ekipa roa avy amin’ireo firenena efatra (Madagasikara, Maorisy, Seychelles, Comores) no indray hiady ny lohany amin’ity “Coupe des Nations de la Zone 7” ity.

Ankoatra izay, tsy mijanona ary mizotra hatrany ny fanazarantenan’ny ekipam-pirenena eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola. Voalaza fa mihamafy ny kotran’ireo mpilalao valo mianadahy ireo ary efa manomboka miditra amin’ny lafiny teknika kokoa izany.

Etsy andaniny, miandry ny fanamafisam-pandraisan’anjaran’i Seychelles kosa ny federasiona malagasin’ny volley (FMVB). Marihina mantsy fa vao nahavita ny fifidianana teo anivony ny federasiona seseloà ka eo am-pandaminana izany izy ireo, amin’izao fotoana.

M.N.

Ny ekipa nasionaly

Vavy:

  • Eugénie / Melissa
  • Maïra / Ihoby

Lahy:

  • Dimby / Doraline
  • Andry / Fenozara

Les commentaires sont fermées.