Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Portugal sy Polonina : «Tirs au but» vao afaka ry CR7

Portugal sy Polonina :  «Tirs au but» vao afaka ry CR7

Ny lalao ampahefa-dalana nikatrohan’i Portugal sy Polonina, natao ny alakamisy lasa teo, no dingan’ny famaranana nisantatra ny fandakana ny “tirs au but”. Efa tany amin’izany sehatra izany manko vao tafavoaka ho mpandresy ny Portiogey, notarihin’i Cristiano Ronaldo (CR7). 5 noho 3 no nisarahan’ny roa tonta  tamin’izany. Raha iverenana kosa ny lalao dia nivoaka sempotra tanteraka ry zalahy vao nahazo ny tapakilany.

Vao nanomboka roa minitra monja manko ny fihaonana teo amin’ny roa tonta dia efa nahatafiditra baolina ny Poloney, tamin’ny alalan’i Lewandowski, izay nanary an’i Rui Patricio, mpiandry tsatobin-dry zareo Portugal.

Efa tany amin’ny minitra faha-33, vao nahasahala ny isa tamin’ny alalan’i Renato Sanches, ny Portiogey, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Nani, ka nandaka izany tamin’ny tongony havia, tany amin’ny 30 m. Marihina fa anisan’ny mpilalao nisongadina indrindra tamin’io ampahefa-dalana voalohany io, i Sanches, izay vao 19 taona monja. Saika feno azy avokoa ny kianja rehetra, nandritra ny 120 mn, nilalaovana. Mbola nahatafiditra ny dakany ihany koa izy, teo amin’ny «tirs au but».

 Miary Narindra

Les commentaires sont fermées.