Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila rano 3 l isan’andro ny drepanocytaire

 Amin’ny olona 50 tapitrisa voan’ny drepanocytose eran-tany,  11% amin’ireo Malagasy avokoa. Aretin’ny ra ny drepanocytose ary marary iray amin’ny folo tratran’ny fahatapahan’ny lalandra any amin’ny loha mialoha ny faha-20 taony. Marary 50 amin’ny 100 ihany no mahatratra ny faha-50 taony. Ambony ny tahan’ny ankizy tratran’ny aretina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, 18,5%. Nanohana ny antson’ny fikambanana LCDM Solimad (ONG de la lutte contre la drepanocytose à Madagascar) misahana ny fikarakarana ny olona tratran’ny aretina ny orinasa Star. Hatramin’ny taona 2007 no nanomboka ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Mila misotro rano betsaka hatramin’ny telo litatra isan’andro ny mararin’ny drepanocytose. Nanolotra tavoahangin-drano 1 000 ny orinasa Star teto Antananarivo sy tany Maroantsetra nandritra ny hetsika fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny drepanocytose. Fandraisana an-tanana voalohany ho an’ny marary ny fanalana ny fanaintainana miseho aminy. Ilaina ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ny fitrangan’ny aretina tsy hahadiso ny fandraisana an-tanana ka, hitarika amin’ny fahafatesana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.