Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mananara Avaratra : sarona ny lavanila iray fiarakodia

 Fihoaram-pefy. Tratra tao Mananara Avaratra ny fiara iray an’ny mpandraharaha, nitondra lavanila na amin’ny fotoana tsy mbola fisokafan’ny fiotazana izany aza izao any an-toerana. Nanao fitokonana teo anoloan’ny biraon’ny kaominina ireo olon’ny ben’ny Tanàna sy ireo mpividy madinika ity vokatra ity, amin’ilay mpandraharaha, omaly, ho tsy fanekena izao fanagiazana ity lavanila ity izao. Nampiantsoina hatramin’ireo vahoaka mpifidy ny mpitondra ao an-toerana  avy any amin’ny fokontany sasany aza. Tsy vitan’izany fa nandoro kodiarana fiarakodia koa izy ireo tamin’izao hetsika izao.

Tsiahivina fa efa nohadihadian’ny Bianco, tamin’ny fandalovan’izy ireo tany Mananara Avaratra, io mpandraharaha io sy ny ben’ny Tanàna. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity.

Etsy andaniny, amin’ny 10 jolay vao hanomboka ny fotoam-piotazana ny lavanila any amin’iny faritra iny. Hangalatra fiaingana mialoha izany ity mpandraharaha ity sy ireo mpiara-dia aminy ?

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.