Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atsimo Andrefana : nankatoavina ny dinabe

 Nahazo fankatoavana nanomboka ny 24 jona teo ny dinabe ho an’ny faritra Atsimo Andrefana raha natolotra ny fitsarana nandritra ny enim-bolana. Ahitana andalana 140 mahasahana ny endika fandikana-dalàna maro indrindra ny halatr’omby, miteraka ny  tsy fandriampahalemana ity dinabe ity. Ahitana arofanina ihany koa anefa ny ao anatiny mba hialana amin’ny fanararaontam-pahefana ataon’ny mpampihatra dina.  Marihina fa na mbola tsy nahazo fankatoavana aza ity dina ity teo aloha, efa nampiasain’ny faritra maro ka  nahatonga ny faritra niroso amin’ny fampiharana azy. Nahitana vokany sy nampisy ny fandriampahalemana amin’ny faritra maro nipoiran’ity dinabe ity.

Araka izany, hisy ny fepetra horaisina manolona ny fampiharana azy ity amin’ny alalan’ny fampahafanatarana ny rehetra, indrindra ireo tompondraikitra hisahana ny fampiharana azy  sy ny fizarana ny fitaovana miaraka amin’izany araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra, Rabe Jules. “Hisy ny fametrahana izany amin’ny fomba ofisialy any Sakaraha  ato ho ato”, hoy izy. Fa manoloana ny kaominina mbola tsy mampihatra ity dina ity, hisy aloha ny famerenana ny filaminana amin’ireo faritra ireo vao miroso amin’ny fanapariahana ity dina ity. Anisan’izany, ohatra, ny any amin’ny distrikan’Ankazoabo sy Beroroha, samy mbola ahitana trangam-panafihana sy fangalarana omby.  “Hany dina tokana ampiharina ato anatin’ny faritra manomboka izao izy ity”, hoy ihany ny lehiben’ny faritra.

CMS

 

Les commentaires sont fermées.