Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Nampandre ny zandary tao amin’ny PA Andrangoveratra ny sefo fokontany fa maty irery ao an-tranony ny lehilahy iray ao Ambodisambalahy Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nidina teny an-toerana ny zandary niaraka amin’ny dokotera nijery ny zava-misy ary hita fa maty tokoa io olona io. Voatifitra teo amin’ny tratrany ilay rangahy ary nahitana basy vita gasy teny an-tanany. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana basy vita gasy dimy hafa ihany koa ary “etui” bala “bosqueto” roa. Notazonina ao amin’ny PA Andrangoveratra ireo basy ireo.

Les commentaires sont fermées.