Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetry ny andro : hitsoka mafy ny rivotra

 Hitsoka mafy ny rivotra (55 km isan’ora) any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana eo anelanelan’i Sambava sy ny Cap d’Ambre ho an’ny dimy andro manaraka, araka ny fanambaran’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampandrianomby, omaly. Entanina noho izany ny sambo madinika tsy hiandriaka intsony. Miaraka amin’ny rivotra ny onja mahery mahatratra 4 metatra manomboka eo Sambava ka hatrany Antsiranana nanomboka halina. Ho an’ny tapany atsimo indray, hanonja be koa ny ranomasina ny alarobia sy alakamisy. Mihamahazo vahana ny alizay izay mitondra rivo-mahery ho an’ny tapany avaratra andrefana ihany koa eo anelanelan’i Mahajanga sy Analalava. Mila mailo ihany koa ny mpampiasa ny ranomasina rehetra.

Momba ny toetry ny andro anio, ho an’ny tapak’andro hariva, hanorana malefaka any Sava, Analanjirofo, Alaotra ary ny ilany atsinanan’i Sofia. Handrahona ny andro amin’ny faritra Mangoro, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy-Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro ho an’ny faritra hafa. Ho mafy ny tsio-drivotra any avaratra atsinanana sy ny tendrony atsimo.

Vonjy

 

Les commentaires sont fermées.