Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Antanifotsy : novakin’ny depiote ny birao

Novakin’ny depioten’i Soanierana Ivongo ny  biraon’ny kaominina ao Antanifotsy ka nametrahany renim-pianakaviana iray tsy lany nandritra ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo.  Tsy narahina vadintany na lehiben’ny distrika na koa ny lehiben’ny faritra Analanjirofo sy ny prefektiora ny nanaovan’ ity depiote ity izany famakiana trano izany. Vokany, nitroatra ny vahoaka ka raikitra ny korontana teo amin’ny mpomba ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka, manana ny maro anisa sy ny mpomba ilay ramatoa heverin’ny depiote hapetraka. « Mbola eny anivon’ny fitsarana misahana ny fandravana ny raharaha ary tsy mbola nisy didy navoakan’ ity sampam-pitsarana ity nefa sahy miditra amboletra amin’ny biraom-panjakana ny depiote », hoy ny ben’ny Tanàna am-perinasa. Tsy nijanona teo, nitory eny anivon’ny fampanoavana ambaratonga voalohany ireo mpomba azy.

Sajo

 

 

Les commentaires sont fermées.