Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho mpikamban’ny HCDDED : rahampitso ny fifidianana

Raha tsy misy intsony ny fiovana: hotanterahina eny amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny fifandraisana, Nanisana, rahampitso, ny fifidianan’ny  firaisamonina sivily ny ho solontenan’ny eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED).

Nampihemotra ny fifidianana, saika hatao ny 16 jona lasa teo, ny fitorian’ny kandidà tsy voaray ho anisan’ny mpifaninana tamin’ny fifidianana. Nolavin’ny Filankevi-panjakana ny fangatahany, ka mijanona ho fito ny kandidà farany. Eo ny avy amin’ny Action sociale pour développer (ASD), ny Accès zon’olombelona, ny Fikambanana tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF), ny Firaisamben’ny mponina miaro ny zon’ny mpanjifa (FIMPA), ny Groupement des alliés pour le salut et intégrité (Gasi Mpilatsaka antsitrapo), ny Mazava GRD, Tatagera Odilon, ary ny RNDC.

Hatao eny Nanisana, anio, ny fampielezan-kevitra. Miandraikitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny toetra fototry ny fahefana, ny demokrasia sy ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna, ny fanaraha-maso ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon’olombelona ny HCDDED, araka ny And. 43 ao amin’ny lalàmpanorenana.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.