Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CMCS : orinasa madinika ho an’ny siramamy

CMCS  : orinasa madinika ho an’ny siramamy

Manahirana ihany ny fitantanana ity sehatra ity, satria na ho an’ny eto an-toerana aza tsy ampy. Koa napetraka ny Centre malgache de la canne et du sucre (CMCS) ny taona 2013, manana sata Etablissement public à caractère industriel et commercial (Epic), miankina amina minisitera telo : Indostria, Fambolena ary ny Varotra. Ny anjara asany, manao izay hampiroboroboana ny famokarana siramamy. Amin’izao fotoana izao, mametraka tetikasa fananganana orinasa madinika io CMCS io, hamokatra 600 t. Karazana atao andrana izany, ka ny vokatra voalohany handrasana amin’ny taona 2017, raha tsy misy ny sampona.

Amin’izao fotoana izao, ny sehatra famokarana siramamy, indostria sy ny famokarana tsotra, manome 0,6 % amin’ny harinkarena faobe. 55 tapitrisa Ar fotsiny amin’izao ny vola mihodina isan-taona. Mbola ambany dia ambany izany, nefa raha tratra ny tanjany tany am-boalohany, 2,8 % amin’ny harinkarena faobe ny toeran’ny famokarana siramamy, izay tsy ho latsaky ny 276 tapitrisa Ar isan-taona ny vola mihodina aminy. Raha hiantohan’ny eto an-toerana daholo ny tsena anatiny, tafakatra 5,5 % amin’ny harinkarena faobe io sehatra io,  mampiasa vola 550 tapitrisa Ar  isan-taona. Fitambaran’ny sehatra rehetra, mampiasa olona 70.000, mivantana na tsy mivantana.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.