Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Moramanga : fotodrafitrasa maro avy amin’Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

Moramanga : fotodrafitrasa maro avy amin’Ambatovy #canada #sherrit #ambatovy

Notokanana tamin’ity volana jona ity ireo fotodrafitrasa maromaro ao Moramanga avy amin’ny orinasa Ambatovy. Anisan’ny nahitana izany fotodrafitrasa izany ireo fokontany efatra ka anisan’izany ny ao Ambohibary, Morarano Gara, Ambatovola ary Andasibe.

Nanohana ny fananganana fotodrafitrasa maro Ambatovy ny taona 2015, toy ny fanorenana sekoly ao Ambohitranivo, biraom-pokontany vaovao ao Sakalava sy Ampitambe, tetezana, lalana fiampitana anaty toerana lalovan’ny mpizahatany ary fantsakana rano fisotro madio 15.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanampiana an-tsitrapo eo amin’ny lafiny sôsialy ataon’Ambatovy ho an’ireo mponina ao anatin’ny faritra iasan’izy ireo ary natao rehefa avy nodinihina niaraka tamin’ireo mpahazo tombontsoa.

Hanampy betsaka amin’ny fampandrosoana maharitra eny an-toerana sy hanatsara ny fari-piainan’ny mponina amin’ny alalan’ny fanamorana ny fahazoana rano fisotro madio, fanatsarana ny lalana izay ahafahana mamoaka ny vokatra sy mampiroborobo ny fizahantany mifandraika amin’ny tontolo iainana ireo fotodrafitrasa ireo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.