Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny 26 jona : nandeha ny varotra arendrina vita malagasy

Fetin’ny 26 jona : nandeha ny varotra arendrina vita malagasy

Tsikaritra, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ity taona ity, fa lasa nihabetsaka ireo ankizy nitondra ny arendrina vita malagasy. Nisy rahateo ny fanentanana tamin’ny haino aman-jery sy nataon’ireo fiarahamonim-pirenena sasany amin’ny tokony hanjifana azy ireny ka voarain’ny ankamaroan’ny Malagasy izany.

Nisy ihany ireo nitondra  ny arendrina vita sinoa toy ireny jiro mitselatselatra ireny, saingy nihanitombo tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ihany koa ireo nivimbina ny arendrina taratasy vita malagasy.

Porofo izany fa mihatonga saina ny ray aman-dreny ka manjifa ny vita malagasy. Nanamarina izany ihany koa ireo mpivarotra arendrina. Nampidina ny vidin’ny arendrina rahateo izy ireo tamin’ity taona ity mba hampandeha ny tsena ka tsy ho fatin’ny vita vahiny ny tsena.

Na izany aza, mbola ilaina ny fanentanana bebe kokoa ho an’ny Malagasy mba hanjifa hatrany ny vita malagasy amin’ny karazan’entana rehetra. Mila manatsara ny kalitaon’ny entana amidy hatrany ihany koa ny Malagasy mba haharaka ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny varotra sy tsy ho takon’ny vita vahiny.

Tatiana A

Une réponse à "Fetin’ny 26 jona : nandeha ny varotra arendrina vita malagasy"

  1. jean bptiste  28/06/2016 à 11:01

    Ajouter votre commentaire

Les commentaires sont fermées.