Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanamarihana ny Asaramanitra : nanampy ny zokiolona ny ViMa

Fanamarihana ny Asaramanitra : nanampy ny zokiolona ny ViMa

 Ho fanampiana ny olona marefo, ao anatin’ny fanamarihana ny faha-56 taona niverenan’ny Fahaleovantena, nisafidy ny hanohana ny boriborintany fahatelo ny Vision Madagascar (ViMa), omaly. Notolorana bodofotsy ny zokilona 686  ao amin’ny fokontany Ambohitrakely, Ankorondrano ary Antaninandro niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny boriborintany fahatelo izay tompon-kevitra amin’ny hetsika.

Ankoatra izay, nanao asa sosialy ihany koa ny ViMa Woods (sampana iray ao amin’ny ViMa) izay miasa ao Moramanga. Nizarana fanampiana ny mponina ao amin’ny alan’Analamanja –Moramanga, omaly. Tsy mitsahatra manampy ny lafiny maha olona ny ViMa amin’ny fanampiana tsy tapaka ny fikambanana Akamasoa tantanin’i mopera Pedro eny Andralanitra. Manana andraikitra rahateo izy ireo amin’ny fampihodinana ny foibe fandraisana Zara Aina amin’ny alalan’ny ViMa for kids.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.