Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aumônerie nasionalin’ny fonja : niofana ireo mpanao asa fiantrana sy fitaizam-panahy

Aumônerie nasionalin’ny fonja : niofana ireo mpanao asa fiantrana sy fitaizam-panahy

« Ny litorjia sy ny toriteny fanao any amin’ny fonja », novelabelarin’ny mpitandrina, sady filoha nasionalin’ny aumônier-n’ny fonja, eo anivon’ny FJKM, Randriamahazaka Selasoa, « Ny tsara ho fantatra mikasika ireo sazy sy heloka », notarihin’ny mpisolovava, ny Me Ramanitra Liva, « Ny zo sy fitsipika tokony harahin’ny mpitondra fivavahana any anatin’ny fonja », nohazavain-dRtoa Leandrette, ary « Ny asan’Andriamanitra sy ny zon’olombelona », novelabelarin’ny filohan’ny Zon’olombelona mijoro, Raoera Chandoutis. Ireto farany izay sady sakaizan’ny aumônerie-n’ny fonja.  Ireo no niompanan’ny fihaonana sady fampiofanana ireo mpanao asa fiantrana sy fitaizam-panahy eo anivon’ny fonja, na aumôniers-n’ny fonja, ny asabotsy 18 jona lasa teo tetsy Ampasamadinika.

Nivoitra tao anatin’ireo famelabelaran-kevitra syfampiofanana ireo fa asa anisan’ny sarotra tokoa ny asan’ny mpanao fiantrana sy fitaizam-panahy eo anivon’ny fonja.  Ankoatra izay, asa itakiana fahavononana sy fahafoizan-tena tanteraka noho ny maha asan’Andriamanitra azy. Na eo aza mantsy ireo karazan-keloka vitan’ny voafonja, mbola manan-jo tahaka ny olombelona rehetra izy ireny, manan-jo hahazo sy handray ny Filazantsara. Izay no maha fitaizam-panahy azy.

Liana tamin’ireo lohahevitry ny fampiofanana ireo mpandray anjara, nahitana ireo aumôniers mpanatanteraka, miasa mivantana eny amin’ny fonja, toy ny avy etsy amin’ny fonjan’Antanimora, Moramanga, Manjakandriana, Anjanamasina ary Tsiafahy. Nisy ihany koa ny fihainoana ireo olana sedrain’izy ireo eo am-panatanterahana izany asa izany. Nampahatsiahivina koa ny endriky ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana eo amin’izy ireo sy ny mpiandraikitra foibe. Anisan’izany, ohatra, ny fanampiana amin’ny alalan’ny tahirin-kevitra, fiofanana, ny fanaovana asa sosialy, ary koa ny fananganana tetikasa samihafa. Nisy ny fiaraha-misakafo, nanamafisana ny fifandraisana tamin’io fotoana io. Ny asabotsy 23 jolay ho avy izao indray no hanatanterahana ny fihaonana manaraka.

M.R.

Les commentaires sont fermées.