Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Tselonina, Jean Emilien, Son ary Razery
Sambany tafaraka hanafana “cabaret” izy efa-dahy ireto. “4 voix, 4 feeling” no nampisalorana ny fiarahana an-tsehatra hataon’i Tselonina, Jean Emilien, Son ary Razery. Hatao anio alina, eny amin’ny Restaurant Idéal, eny Andoharanofotsy izy io. Samy manana ny “reviny”, kanefa koa iray andia ihany izy efa-dahy ireto ka afaka mampiaraka aingam-panahy tsara. Mazava loatra fa hifototra amin’ny vazo an-gitara, ampian’ny kabaosy sy ny farara ny seho.

Jeneraly ao amin’ny Pim’s
Elaela indray no tsy tazana an-tsehatra ny tarika Jeneraly. Fantatra fa hanafana ny “cabaret” etsy amin’ny Piment Café Behoririka izy ireo, anio alina. Hamerina ireo hiran’i Ghaby izay tsy tontan’ny ela indray ny tarika amin’io fotoana io. Misy ireo hira sy lefy laza, saingy mbola maro ihany koa ny tsy dia fandre matetika, kanefa efa hiran’ny tarika Jeneraly taloha ihany. Mamoha tsikelikely azy ireny ny tarika amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.