Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Lovakolo » : hosodoko momba ny vakoka

« Lovakolo »  : hosodoko momba ny vakoka

Anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fananany tantara. Singa iray ao anatin’io ny vakoka. Haneho izany amin’ny alalan’ny hosodoko i Jean Andrianaivo Ravelona mandritra ny varotra fampirantiana nampitondrainy ny lohateny « Lovakolo ». Hetsika hotontosaina ao amin’ny Atmosphères du Monde, 20 rue de Gramont – 75002 Paris. Haneho izay vakoka izay avokoa ny sanganasany hiranty ny 29 jona ka hatramin’ny 2 jolay izao.

Ankoatra ny sary hosodoko, ho hita sy ho heno mandritra ity ranty ity ny fahaizan’i Tiavin’Andria eo amin’ny sehatry ny « art numérique » sy ny sanganasan’ny tarika Dédé Valiha. Ity hetsika « Lovakolo » ity rahateo no karazana sehatra hamoahana sy hampahafantarana ho ren’ny olona ireo hira voarakitra ao anatin’ito rakikira hahenoina ny hakanton’ny feom-baliha ito.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.