Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : kolontsaina mahaleotena !

Fa angaha moa tsy ny firenena no lazaina fa mahaleotena ?… Ka io no mahavariana ! Mahaleo tena i Madagasikara kanefa ireo singa rehetra maha firenena ny firenena iray, saika miankin-doha amin’ny hafa avokoa ny an’ity Nosy lehibe indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity. Iray amin’ireny ny kolontsaina. Tsy mahaleotena ny kolontsaina malagasy fa miankin-doha tanteraka amin’ny an’ny hafa. Iantsoana an’izatsy sy izaroa vao afa-mitraka.

… Ka na ny toerana hanomezan-kasina ny kolontsaina malagasy aza, zara raha misy. Ny efa nisy, nopotehina. Ny fanamboarana, tsy misy. Ny fanavaozana, tsy atao. Fanorenena vaovao, zara raha misy. Kolontsaina inona no hahaleo tena amin’izany ? Mialokaloka etsy, mialokaloka eroa !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.