Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antaninarenina : ahitana lakam-panorona goavana be

Antaninarenina : ahitana lakam-panorona goavana be

Azo ilalaovana fanorona etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ! Tsy toy ny nahazatra hatramin’izay anefa fa lakam-panorona amin’ny endriny goavana be. Ezaka nataon’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana) ny nanatontosana azy ity. Mitsangana ny mpilalao andaniny sy ankilany ka amin’ny alalan’ny karazana tehina no hamindrana ny vatom-panorona.

Raha tsiahivina, anisan’ny kilalao malagasy tranainy ny fanorona. Ho an’ireo mahay azy, sady lalao no fikarohana paika hoenti-miatrika ny fiainana ny fanorona. Misy aza mpikaroka sasany milaza fa azo itarafana ny fiainana manontolo ity lalao ity. Anisan’izany ny tontolon’ny fihariana sy ny fahasalamana.

Amin’ny ankapobeny, karazany telo ny fanorona filalaon’ny Malagasy fatratra fahiny. Fanorontelo, fanorondimy ary fanorontsivy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.