Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Hanamboarana lalambe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo-Toamasina. Anisan’ny nambaran’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier izany ny talata lasa teo, nanoloana ny depiote. Tsy vao izao no nahenoana an’io vaovao io, fa efa tany amin’ny taona 2014 tany, izay voalaza fa hamboarin’ny Sinoa, ary handoavam-bola rehefa vita. Tsy fantatra ny fotoana tena hanombohana ny asa sy ny tetibola hanaovana azy.

Mampitombo ny valala ny andro mando sady maina ankehitriny. Nandritra ny andro folo voalohany ny volana jona, navoakan’ny tatitry ny FAO, fa nahitana andian-kijeja sy valala eo am-pitomboana tany amin’ny faritra Menabe, Amoron’i Mania, Bongolava ary Vakinankaratra. Notondrahina fanafody avokoa izy ireny, tamin’ny alalan’ny sidina an-kabakabaka (helikoptera) sy an-tanety.

 

Les commentaires sont fermées.