Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Feo nandeha momba ny minisitra… : mahatsiaro ho voahoso-potaka ny polisim-pirenena

Feo nandeha momba ny minisitra…  : mahatsiaro ho voahoso-potaka ny polisim-pirenena

Nanoloana ny vaovao niely an-gazety momba ny raharahan-tokantranon’ny polisy, nitondra fanazavana ireo mpitondra tenin’izy ireo, omaly, fa toe-javatra efa mahazatra ihany ny fialan’ny mpikambana amin’ny kabinetran’ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy zava-baovao akory. « Hivoaka amin’ity herinandro ity ny mpikambana vaovao amin’izany kabinetra izany », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisy, Rajaobelina Joachim. Milaza izy ireo fa fanosoram-potaka ny vaovao miely momba ny fidiran’ny minisitra hopitaly. “Mahatsiaro voatohintohina ny polisy nasionaly manoloana izany”, hoy izy ireo. Toy izany koa ny momba ny famindran-toerana polisy, efa politikan’ny mpiasam-panjakana io ka tsy maintsy tanterahina. Resabe ihany koa ny momba ireo polisy mandray anjara anatin’ny tafika manga, ka nilazan’izy ireo fa tsy misy ny sakana amin’izany rehefa mahafeno fepetra ny polisy mikasa hanao izany. Efa anjatony ny polisy nandray anjara tamin’izany tao anatin’ny 10 taona. Miangavy ny mpanao gazety ny polisy mba hamototra tsara ny vaovao avoakany. Milaza fa misokatra ny fanadihadiana momba ireo vaovao voalaza ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.