Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambanilalana Itaosy : mpivarotra saribao voatafika, vola 1 000 Ar lasan’ireo jiolahy

Ambanilalana Itaosy : mpivarotra saribao voatafika, vola 1 000 Ar lasan’ireo jiolahy

Na noteren’ireto jiolahy tamin’ny rahom-bava sy ny basy aza ireto vehivavy mpivarotra saribao, eny Ambanilalana Itaosy, ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 12 ora alina, tsy nisy ny vola. Araka ny vaovao azo, vola 1 000 Ar NY azon’ireto jiolahy ireto tao amin’ilay mpivarotra saribao. Voalaza fa enin-dahy izy ireo, nitondra basy nanafika, tafiditra tao an-toerana. Ny roa amin’ireo, nandrahona sy nanery ireo vehivavy hamoaka ny vola rehetra.

Rehefa tsy afa-po izy ireo, nifindra tamin’ny toeram-pivarotana enta-madinika teo akaiky eo ihany. Nopitsohin’izy ireo ny varavarana ary noraofin’izy ireo ny entana izay zakany. Nitsoaka mora foana ireo jiolahy ary mbola nanampy rahom-bava fa hitety trano io alina io. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana rehefa nantsoin’ny fokonolona, nanao ny fanarahan-dia, saingy tsy nisy tratra ireo jiolahy.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.