Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe : nankalazaina ny andron’ny asa tanana

Antsirabe  : nankalazaina ny andron’ny asa tanana

Natomboka ny zoma 10 jona ary nifarana ny alahady lasa teo ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana, natao teo anoloan’ny Tranompokonolona Antsirabe. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka, Rabenirina Jean-Jacques. Nambarany nadritra ny lahateniny fa faritra manan-karena asa tanana i Vakinankaratra, ka izany indrindra no nisafidiana an’Antsirabe hanokafana ny fankalazana.

Nifantoka tamin’ny valandresaka sy varotra fampirantiana ary fifanakalozan-kevitra ny hetsika. Lohahevitra tamin’izany ny hoe : «Asa tanana, otrikarena ho an’ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana».

Misedra olana anefa ity seha-piariana ity ankehitriny. Mampitaraina ireo mpanao asa tanana nampiranty ny fahaiza-manaony teto Antsirabe, ny fahamaroan’ireo mpanao asa tanana tsy ara-dalàna eo amin’ny fandoavan-ketra nefa afaka mivarotra an-kalalahana ny vokany ka miteraka fatiantoka ho azy ireo izany. Eo ihany koa ny fanondranana ireo akora fototra any amin’ireo mpanao asatanana vahiny. Etsy andaniny anefa, mbola atakalon’ny ankamaroan’ny olona, ny vokatra vahiny ireo zava-bita malagasy.

Aorian’i Vakinankaratra, hankalazaina any amin’ny faritra hafa ihany koa ity Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana ity.

Vicky (Antsirabe)

Les commentaires sont fermées.