Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ClayM : sady mitsabo no manoro hevitra

Anisan’ireo toeram-pitsaboana mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona hisoroka ny aretina mety hitranga ny centre medical ClayM, etsy Ambavahaditokana Itaosy. Ankoatra ny fitsaboana ireo marary tonga ao aminy, manome torohevitra ho fisorohana koa izy ireo. Anisan’ny teny famerimberin’ny Dr ClayM ny hoe: “Aleo misoroka toy izay mitsabo”. Tsy mijanona amin’ny sehatry ny fitsaboana ity toeram-pitsaboana ity fa manao asa sosialy ihany koa rehefa misy fotoana hanaovana izany. Ireo fianakaviana sahirana no tena tsinjoviny amin’izany.

Mampiavaka ny ClayM ny fitsaboana ny homamiadana amin’ny sokajiny rehetra. Na efa tonga eo amin’ny fetra farany (3è degré) aza, mbola azo sitranina tsara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao aminy. Mifototra amin’ny fampiasana ireo akora natoraly avy eto an-toerana voahodina sy nandalo fanandramana ary vita sedra ny fitsaboana ataon’izy ireo. Misy ihany koa ny natao ho fanamafisana ny hery fiarovana mba tsy handairan’ny aretina mahery ny vatana.

Les commentaires sont fermées.