Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Namerina nampianatra ireo teboka rehetra tokony ho fantatry ny polisy rehefa miasa, ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Rajaobelina Joachim nandritra ny famoriana ireo polisy agents sy inspecteurs andiany Hasina, omaly maraina teny amin’ny Toby Razafindrazaka Berthin, eny amin’ny Fip Antanimora. Isan’ireo teboka notsindriny manokana ny fomba fandraisana olona na any anaty birao na eny an-dalambe. Nanentana ireo polisy vao nivoaka izy ary nampahatsiahy azy ireo fa tokony hanaja ny fitsipi-pifehezana sy hiady amin’ny kolikoly ny polisy eo am-panatanterahana ny asany. Nilaza izy fa mba hampitandremana ireo polisy am-perinasa mialoha ny hidirana amin’ny fanasaziana no antony fanomezana toromarika toy izao. Nohamafisiny fa tsy handeferana ireo manao tsirambina eo am-panatanterahana ny asany. Tsiahivina fa vao nivoaka tamin’ny andiany farany teo, tany amin’ny sekoly fanofanana ho agents sy inspecteurs de police ireto andiany Hasina ireto.

 

Les commentaires sont fermées.