Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanjifa 034 : fiara iray ho an’ny tombola Telma

Hankasitrahana ny mpanjifa tsy miala amin’ny orinasa Telma, hisy tombola goavana ahazoana fiara iray, hosarihina amin’ny faran’ity taona 2016 ity. Voakasik’izany avokoa ny mpanjifa tsy ankanavaka, amin’ny fampiasany ny laharana 034.

Misy koa ny fanomezana mari-pahalalana ny mpanjifa azo atao eny amin’ny toeram-pivarotan’ny rehetra ahitana Telma shop, Telma kioska, hanamafisana ny karatra sim. Toraka izany koa eny amin’ny toerana ahitana MVola, ka entina eny ny karapanondro, hanamafisana ny firaiketana an-tsoratra ny karatra Sim, hitazonana ny “034, mandrakizay amin’ny fiainana”.  Aorian’izay, tafiditra ao anatin’ny mpanjifa vaventin’ny Telma ny tsirairay, ahazoana ny tolotra rehetra. Azo atao koa ny manolo ny karatra Sim ankehitriny ho karatra Sim 4G, na koa simba na mihitsoka na very. Mahazo tombony “bonus” 20% ny mpanjifa mampiasa MVola avy eo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.