Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Madagasikara-Sina : sarihina ho avy eto ireo mpizahatany sinoa

Hatramin’izao ireo Sinoa mpandraharaha ihany no fantatra fa maro eto Madagasikara.  Manomboka izao indray, namaritra politika vaovao ny ao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany, hisarihana mpizahatany sinoa ho tonga marobe hijery an’izany Madagasikara izany, ny fomba fiainan’ny Malagasy, ny tontolo iainana sy ireo zavaboahary isan-karazany malaza ato aminy.

Mialoha izany anefa, hisy mpanao gazety sinoa ho avy eto an-toerana, hanadihady ny  « tolotra » ho fantatr’ireo mpizahatany any aminy. Miainga avy amin’ny tatitra hoentin’ireo mpanao gazety miverina any an-tanindrazany ny handresen-dahatra azy ireo. Araka ny nambaran’ny minisitra, Ratsiraka Roland, omaly, heverina ny hanokafana zotra amin’ny fiaramanidina mampitohy mivantana eto Antananarivo sy any Sina. Fidiram-bola iray lehibe ho an’ny sehatry ny fizahantany ny fihatongavan’ireo Sinoa ireo, mety hitondra tsy latsaky ny 5.000 dolara isan’olona.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.