Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lasan’i Nathaniela ny lokan’ny mpijery

« Je veux faire un film ». Norombahin-dRandrianomearisoa Nathaniela, tamin’ny alalan’io horonantsary « fiction » io, ny Lokan’ny mpijery, nandritra ny « Festival Rencontres du film court » (RFC) andiany faha-11. Araka izany, ny sanganasan’ity tanora ity no nankafizin’ny olona indrindra tamin’ireo 17 naseho hisafidianan’izy ireo.

Notontosaina omaly, teny amin’ny hotely Carlton Anosy, ny fanolorana ny « Zébu d’or » ho an’i Nathaniela, izay nosoloin’ny rainy tena. Ankoatra ity mari-pankasitrahana mampiavaka ny RFC ity, nahazo tapakilam-piaramanidina avy amin’ny Air France ihany koa izy. Marihina fa hanampy ireo rehetra ireo ny handehanany manatrika ny « Festival Off-courts » any Trouville, amin’ny volana septambra izao.

Fantatra nandritra ity lanonam-panolorana loka ity fa mila tohana ny fanatontosana ny RFC, izay mahatratra 120.000 euros na 456 tapitrisa Ariary, eo ho eo, isan’andiany, izany hoe isan-taona. Mila fanampiana toy izany koa ny tahiry Serasary, enti-manampy amin’ny fanatontosana horonantsary malagasy, izay amidy any ivelany.

Manoloana ireo, manentana ny rehetra (olon-tsotra, fikambanana, orinasa, sns) ny mpikarakara mba hanome izay foiny. Marihina fa hisokatra amin’ny 15 jona ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ny vokatra ho an’ireo mpanatontosa sarimihetsika te hahazo tohana avy amin’ny tahiry Serasary.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.