Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Institut Pasteur : fitiliana ny vokatra ara-pambolena

Maro ny sehatra sahanin’ny fikambanana Institut Pasteur eto Madagasikara (IPM). Ao anatin’izany ny fitiliana ireo vokatra ara-pambolena, ny hadion’ny rano, ankoatra ny maha foibem-pikarohana azy. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny fandaharanasa Edes, niaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny ao amin’ny Varotra sy ny fanjifana. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina ara-bola, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ara-pambolena, indrindra ireo tena fanondran’i Madagasikara any ivelany. Anisan’ireo laboratoara telo tamin’ny 20 nanolotra ny IPM, miampy ny CNRE sy ny CTHT. Tafiditra tao anatin’ny asa ny fitiliana sy fanadihadiana ny fanafody famonoana bibikely, ny fijerena ny tahan’ny vy any anatin’ny vokatra samihafa, fanondrana any ivelany. Nisahana ny fitiliana ny letisia sy ny zavamaniry manitra sy masiaka kosa ny foibe CTHT.

Nandritra ny famelabelarana, voalaza fa tsy miasa araka ny tokony ho izy ny laboratoara sasany eto amintsika, tsy maharaka ny fenitra ilaina, ka tokony hanome toky hanaraka ny lalàna sy ny fitsipika izy ireny. Tapitra ny taona 2015 ny fandaharanasa Edes ary manohy azy ny fandaharanasa Procom.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.