Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hoesorina ny zo tsy azo enjehina ? : nosokajian’ny mpampanoa lalàna ho tratra ambodiomby i Lylison

Ho sarotra ny raharaha ? Nambaran’ny mpampanoa lalàna iray tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina, omaly fa tratra ambodiomby ny loholona Lylison noho ny fanakorontanana nataony, amin’ilay antso ho an’ny tanàna maty. Anisan’izany ny fanaingana sy ny nanaovana sakana ny lalana amin’ny ankamaroan’ireo tanàna teto an-dRenivohitra, araka ny nambarany. Notanisainy tamin’izany koa ny andinin-dalàna, toy ny fanohintohinana ny governemanta. Midika izany ary mitombina ny nivoahan’ny didy fampisamborana ity loholona ity. Nanamafy izany rahateo ny lehiben’ ny CIRGN, ny Jly Rakotomahanina Florens, afakomaly tetsy Ankadilalana ka efa nanomezana baiko ny mpitandro filaminana hisambotra avy hatrany. Tsy azo ihodivirana koa fa efa lasa eny anivon’ny Antenimierandoholona izany didy fampisamborana izany.

Hatreto anefa, nilaza ho tsy mbola naharay izany ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Rakotomanana Honoré. Inona ny tena marina ? Hiroso amin’ny fanesorana ny zo tsy azo anenjehana ny loholona Lylison izany izy ireo raha efa eny izany ? Sa haneho firaisankina ireto etsy amin’ny lapa maitso ireto ka tsy hanaisotra izany ? Tsy fantatra rahateo ny hiseho rahampitso sy ny hianjady amin’ny loholona hafa ?  Misy ifandraisany amin’ny nanovan’ny filankevitry ny minisitra afakomaly ny « code pénal » ity raharaha ity ? Tranga efa niseho teny Tsimbazaza ny  tahaka izany ka nifampiaro hatramin’ny farany izy ireo.

Randria   

Les commentaires sont fermées.