Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : Malagasy tsy mahay teny gasy !

Tena misy ? Rehefa tsy nipetraka teto Madagasikara hatramin’izay naha olona azy ve izy hahay teny gasy ? Tsy ny tranga tahaka izay no hanaovana haody eto fa ilay Malagasy niaina ampolo taona teto kanefa milaza fa tsy mahay teny gasy. Tsy vitsy amin’izy ireny no mamadika azy io ho rehareha mihitsy. Ny vahiny tonga eto Madagasikara aza, mianatra teny malagasy ao anatin’ny telo volana, efa afaka maneho hevitra tsara amin’ny teny malagasy. Mahamenatra !

Ny Malagasy mihitsy ve no hafa amin’ny samy olona eto ambany masoandro ? Ny mponin’ny firenen-kafa mirehareha fa mahafehy ny teniny. Sao mba zavatra hafa kosa ny mahatonga ny sasany hilaza fa tsy mahay teny gasy ?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.