Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Any am-ponja ny lefitry ny ben’ny Tanàna

 Tsy afa-bela. Nidoboka am-ponja any Maroantsetra ny ben’ny Tanàna lefitra faharoa ao amin’ny kaominina Mananara Avaratra. Miaraka voarohirohy aminy amin’izany koa ny mpanangona ny hetran’ny kaominina. Voalaza fa noho ny fanodinkodinam-bola nataon’izy ireo no anton’izao fampidirana am-ponja izao. Niditra an-tsehatra rahateo ny eo anivon’ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco), ny 2 jona teo, tamin’ny alalan’ny fanadihadiana sy ny famotorana rehetra ka nahasaronana izany.

Midika izany fa manao ny asany ny Bianco ary mihetsika sy mandefa ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Efa zava-dehibe izany. Matetika anefa, rava ho azy izany rehefa eny anivon’ireo mpitsara sasany.

Hatreto aloha izany, sarona ny ahina ho nanodikodikodim-bola eny anivon’ny kaominina. Mba rahoviana kosa ireo eny anivon’ny minisitera na koa ny sampandraharaham-panjakana samihafa, ahenoana halatra sy kolikoly avo lenta. Hatreny anivon’ireo mpitondra sy mpitantana, indrindra ireo trondro vaventy ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.