Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nitory olona roa izay ben’ny Tanàna ny iray, ho nanao fandrahonana ho faty, ny lehilahy iray manana kilema tany Ambanja, ny 6 jona lasa teo. Tsy mbola vita anefa ny fanolorana ireo notorina ny fitsarana noho ilay ben’ny tanana toriny io mbola nivory tany Antsiranana. Tsy nanaiky izany ilay mpitory ka nanoratra tamin’ny taratasy A4 nilaza fa voavidim-bola ny zandary, ary nolanjainy nentiny nivezivezy manerana ny tanàna. Mangataka ny hanaovana ny fitsarana ireo olona toriny izy. Mangataka ny fahendren’ny fitsarana ihany koa ny tenany. Nilaza taminy ny zandary fa hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ilay ben’ny Tanàna.

Notafihin’ny jiolahy 11 nitondra basim-borona dimy ny trano iray, any, Ambalavao, ny 6 jona lasa teo. Vola 2 tapitrisa Ar no very niaraka amin’ny kara-panondro, “permis de conduire” sy akanjo maromaro. Nitsoaka ireo olon-dratsy, tsy nisy nahasakana mihitsy. Tonga tany an-toerana ny zandary nanao ny fanarahan-dia sy ny famotorana. Tsy mbola nisy vokany anefa izany.

Les commentaires sont fermées.