Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMI – Fec 310 tapitrisa dolara : miankina amin’ny filankevi-pitantanana ny hahazoana izany

FMI – Fec 310 tapitrisa dolara  : miankina amin’ny filankevi-pitantanana ny hahazoana izany

Nifarana, omaly, ny dian’ireo delagasiona avy amin’ny FMI, nanomboka ny 25 mey. Nijery ireo tetikasa azo anohanana ny fitondram-panjakana malagasy izy ireo hatramin’ny taona 2019 sy nifanakalo hevitra momba izany tamin’ny mpitondra. Hatramin’ny faran’ny volana jolay handinihan’ny filankevi-pitantanan’ny FMI izay haroson’i Madagasikara hahazoana io Fec io.

Neken’ireo delegasiona avy amin’ny FMI notarihin’i Mills ny hahazoan’i Madagasikara ilay famatsiam-bola Facilité élargie de crédit (Fec). Nilaza ny avy ao amin’ny FMI ny amin’ny tokony hanohanana fandaharanasa ara-toekarena hatramin’ny 2019, hisian’ny fisondrotan’ny harinkarena. Hahazoana famatsiam-bola 310 tapitrisa dolara izany, mbola mila fankatoavan’ny filankevi-pitantanana any aminy. Tsy maintsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, antoka hahamora ny fahazoana izany famatsiam-bola izany.

Fepetra lehibe takin’ny mpamatsy vola, ny fanatsarana ny fidiram-bolam-panjakana sy ny fandanjalanjana ny fandaniana. Tanjona ny hampitomboana ny fidiram-bolam-panjakana. Ankoatra ny fampanarahan-dalàna ireo any amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, tokony hahitana fahombiazana ny asan’ny sampandraharahan’ny hetra sy ny fandintseranana. Tokony any amin’izay hita fa hitondra fampandrosoana tokoa ny fandaniana. Arahi-maso ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fandaniana any amin’ny fananganana fotodrafitrasa. Ireo rehetra ireo, mitaky fanatsarana ny fitantanam-bolam-bahoaka.

Jirama sy Air Madagascar

Efa ao anatiny ary tokony hotazonina hatrany ny fampiharana ny tena vidin-tsolika sy ny fanafoanana miandalana ny fanampiana any amin’ireo orinasam-panjakana ahitana fatiantoka. Sorohina ny tsy hisian’ny trosa vaovao ary ezahina efaina izay tany taloha. Andrasan’ny FMI ny fahaizan’ny fanjakana manarina ny Jirama sy ny Air Madagascar ary nasian-teny manokana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahaleovantenan’ny Bianco.

Nomarihin’izy ireo ny volam-panjakana, izay mila ezaka lehibe. Tokony hihoatra ny 4 % ny fitombon’ny harinkarena faobe amin ‘ity taona ity, ary misy ireo sehatra tokony hahazoan’ny Banky foibe mampitombo ny tahirim-bola vahiny ao aminy. Tokony tsy ho hita taratra ireo singa manambara ny fitotongan’ny toekarena. Mitaky ezaka lehibe ireo rehetra ireo fa tsy vitan’ny resaka ambony latabatra.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.