Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firaisamonina sivily : dimy ireo kandidà ho HCDDED

Ny avy amin’ny Accès zon’olombelona, Randriamanalina Maminirina Valson; ny avy amin’ny Action sociale pour développer (ASD), Ravalitera Jacques Mickaël; ny avy amin’ny Fikambanana tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF), Ramiarondraibe Hajason.

Ireo no kandidà solontenan’ny firaisamonina sivily mirotsa-kofidina ho mpikamban’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), taorian’ny fanadihadiana moraly nataon’ny Bianco, araka ny tatitry ny komity manokana mikarakara ny fifidianana, ny 3 jona lasa teo.

Eo koa ny avy amin’ny Firaisamben’ny mponina miaro ny zon’ny mpanjifa (FIMPA),  Razafintsalama Pierre Emile; ny avy amin’ny Groupement des alliés pour le salut et intégrité (Gasi mpilatsaka antsitrapo), Ravelojaona Tsimanosika Pierre Roger.

Miisa 20 ireo kandidà tany am-boalohany, fa niala an-daharana ny roa ary efa voafidin’ny Antenimierampirenena ho mpikamban’ny HCDDED ny iray, Rabetafika Fulgence. Tamin’ny 23 mey no nikasana hanatanterahana ny fifidianana, saingy mbola nisy ny fanadihadiana moraly nataon’ny Bainco.

Raha tsy misy ny fiovana: amin’ny 15 jona ny fampielezan-kevitra, ary amin’ny 16 jona ny fandatsaham-bato.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.