Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hanangana rafitra iraisana hisahana ny fifidianana ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina (COI), araka ny tatitry ny delegasiona nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina, omaly teny Iavoloha. Niatrika izany ny solontena avy amin’ny Maorisy, Kaomoro, Seychelles ary i Madagasikara. Tanjona ny hikarakarana fifidianana milamina, hifanakalozana traikefa sy ny fanaraha-maso miaraka izany. Eo koa ny fametrahana foibe fanofanana ireo mpikirakira fifidianana.

Niompana amin’ny fampangaraharana ny lisi-pifidianana ny atrikasa, nifarana, omaly teny Alarobia, niarahana amin’ny Ceni sy ireo firenen’ny COI. Niaiky ny filohan’ity rafitra ity, Rakotomanana Hery, fa anisan’ny niteraka olana sy korontana teto amintsika ny tsy fahatomombanan’izany hatramin’izay. Na izany aza, nitondra fanitsiana ny KMF/Cnoe. « Mbola azo atao ny manatsara izany hiatrehana ny fifidianana ho avy », hoy ny Ceni.

Les commentaires sont fermées.