Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mandroso mihemotra ny fanjakana : nahantona indray ny fampiakarana ny faktioran’ny Jirama

Mandroso mihemotra ny fanjakana  : nahantona indray ny fampiakarana ny faktioran’ny Jirama

 Tsy nisy roa andro akory, nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny indray fanjakana amin’ny saika nampiakarana ny faktioran’ny Jirama. Tsy fantatra intsony ny fomba fandraisana fanapahan-kevitry ny fanjakana manoloana ny mpamatsy vola vahiny sy ny fitsinjovana ny 92%-n’ny malagasy miaina anaty fahantrana.

Araka ny loharanom-baovao azo, tsy nampiharina indray ny fampisondrotana ny vidin-jiron’ny Jirama, nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Omaly, alatsinainy fantatra fa nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny indray ny fanjakana, nefa tsy nolazaina ny antony, na ny fotoana tena ampiharana azy indray.

Nihazakazaka ity raharaha ity satria, hita tanaty gazety mpiseho isan’andro vitsy ny faran’ny herinandro teo fa nisondrotra ny vidin-jiron’ny Jirama. Tsy fantatra raha mifandray amin’ny fandalovan’ny iraky ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ary anisan’ny fepetra takin’izy ireo hampihenana ny fanampiana ara-bola ny orinasam-panjakana, ka anisany ny Jirama. Voalaza mantsy fa hitan’ireo iraka ireo ambany loatra ny vidin-jiron’ny Jirama ka tokony asondrotra sy ampiharina  ao anatin’ny faktiora volana jolay avy hatrany. Nasaina nandinika haingana ny teknisianina ny fisondrotana ary nalefa tany amin’ny Ofisy mpandrindra ny herinaratra (ORE) ary nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Manodidina ny 5 hatramin’ny 20% izany ho an’ireo trano ampiasaina ary 9% ho an’ny trano fonenana.

Fitavozavozan’ny mpitondra

Mahavariana mihitsy ity fomba fandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra ity. Mikoropaka mandray fanapahan-kevitra rehefa teren’ny vahiny sy ny mpamatsy vola, nefa toa matahotra ny vahoaka koa. Sahin’izy ireo lazaina fa tsy misy ny kere, porofoy fa mahantra ny Malagasy, nefa tarehimarika tsy azo raisina ve ny 92% -n’ny Malagasy, nambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa miaina anaty fahantrana, mivelona latsaky ny 2 dolara isan’andro (6.000 Ar). Avy eo indray, misintona ny fanapahan-kevitra, sady tsy milaza ny anton’ilay fihemorana. Toy izany ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny firenena.

Maro koa ny fepetra takin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tsy mety tanteraky ny mpitondra, toy ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fandripahana ny harena voajanahary, raha tsy hiteny afa-tsy ny tsy fanasaziana ireo mpanao trafika andramena, nefa namoaka anarana mihitsy aza nymasoivoho amerikanina, mikasika ny raharaha Bekasy.

Eo koa ny tsy fijroan’ny rafi-pitsarana hitsarana ny mpitondra (Haute cour de jusitice), nasogadin’ny Vondrona eoropeanina (UE) manokana, nandritra ny dinika politikan’ny roa tonta.

Randria

Les commentaires sont fermées.