Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina aloha vao toekarena : « Orinasa ny tany, lehibe indrindra sy manan-kaja », hoy i Dama

Kolontsaina aloha vao toekarena : « Orinasa ny tany, lehibe indrindra sy manan-kaja », hoy i Dama

Mifamatotra amin’ny kolontsaina malagasy ny toekarentsika : fambolena, fiompiana, asa tanana sy ny jono. Manana kolontsaina mampihainga azy ireo eto amin’ny firenena na reny, kitapo mitahiry ny herena rehetra. Mitaky valimbabena ho an’ny taranaka any afara izany. Manazava i Dama, tarika Mahaleo. Resaka nifanaovana tamin’ny gazety Taratra.

Gazety Taratra :  Inona no tokony hifotorantsika mba hampihodina tsara ny toekarena eto amin’ny firenena ?  Fijerinao amin’ny maha-panakanto anao ? 

 * Dama : Raha vao miresaka toekarena, dia midika izany fa misy olombelona mampihodina azy, ary izay olombelona izay, manana ny kolontsainy. Izany hoe, ao ny kolontsaina mampihodina io toekarena io. Toekarena fototra eto amintsika : fambolena, fiompiana, asa tanana ary ny jono. Ny famokaram-bary, ohatra, ao ireo sompitra mpamboly azy, manana ny kolontsaina nolovaina avy any atsinanana, nentina namboly amin’ny angady sy ny herintsandry, ka izay fomba fambolena nolovana izay, mbola hitantsika hatramin’izao, toy ny fiaraha-mitantana any anivon’ny fokonolona sy fikambanana samihafa, tambajotra. Rafitra kolontsaina daholo izany. Toy izany koa, ohatra, ny fiompiana omby ataon’ny foko Bara. Izany hoe, kolontsaina aloha izay vao toekarena.

– Mbola eo ve izay kolontsaina izay sa mihavery amin’izao fotoana izao ?

* Zavatra roa lehibe mifanipaka eto Madagasikara, ny fomba fijery tandrefana avy amin’ireo manampahazaina sy fomba fambolena miaraka amin’ny kolontsaina malagasy. Toe-tsaina tandrefana, fandrosoana manenjika ny lasitra tandrefana, tiana apetraka eto. Izany fomba tandrefana izany mitady hamadika ho orinasa madinika sy salantsalany ka hatao mpiasa indray ireo tantsaha.

– Ka tsy mety eto amintsika ve  izay fomba fambolena tandrefana izay ?  

* Amin’izao fotoana izao samy taitra daholo ny maneran-tany, satria miharitra ny tahiry harena voajanahary amin’ny planeta tany. Io lasitra fampandrosoana tandrefana io anefa, faran’izay tendan-kanina be eo amin’ny fihinanana harena voajanahary. Koa amin’izao fotoana izao tsy maintsy manitsika “frein”, manjary raharahan’izao tontolo izao ny fitandremana ny harena voajanahary. Ho ritra ny vatsintsiika indrindra fa ny solika. Ny ala koa toy izany, ireo sisa tavela any Amerika Atsimo, any Afrika sy eto amintsika. Tandremana ny fomba famokarana manimba toekarena. Enta-mavesatra ve ireo ireo tantsaha ireo sa ny kolontsaina amin’izao fotoana izao no ampiana tosika ? Raha atao mpikarama isam-bolana izy ireo, tsy ho ampy ny karamany,  manjary hiteraka disadisa.

“Fambolena mikajy ny tontolo iainana”

– Iaraha-mahalala anefa fa izay fomba fambolena tany aloha izay tsy maharaka ny filantsika intsony, noho ny fitombon’ny mponina.

* Eo no mila ny fahaizanatsika Malagasy mampifameno ny fahaizana taratasy sy ny nentim-paharazana, mila fifanatonana ireo. Ny olona any ambanivohitra mantsy apetraky ny avara-pianarana hampianarina handroso. Toy ny any amin’ny tany tandrefana, ho lasa mpiasa na ho mpandraharaha fa tsy jerena mihitsy, ahoana ny hanatevenana izay efa ataon’ireo olona ireo ? Ohatra : zava-dehibe loatra ny fambolena mikajy ny tontolo iainana. Efa olana lehibe ankehitriny ny fampiasana zezika simika izay misy fiantraikany na amin’ny olombelona mampiasa azy na amin’ny olombelona mihinana ny vokatra.  Sarobidy indray izao ny sakafo vokarina amin’ny fomba voajanahary, tsy mandalo akora simika. Tsy ampianarina intsony ny mpamboly malagasy amin’ny fampiasana zezika tain’omby sy natiora hafa, tokony hamafisina sy hifantohana izany.

– Iaraha-mahita anefa izao fa tsy mamokatra firy intsony tanintsika, voatery manafatra vary sy sakafo hafa isika. Vahaolana arosonao ?

* Tsy misy afa-tsy ny tany no hahazoana mamboly, tsy misy olona mpandraharaha, mpanao politika, olon-drehetra afaka miasa raha tsy mihinan-kanina. Nefa ny orinasa fototra mamokatra izany, dia ny orinasa tany, efa misy mpiasa, saingy amin’ny herin’ny tenany. Koa izany no tokony hampiana amin’ny teknika fahaizana taratasy, ilaina mifameno. Tokony hisy fomba fifanatonana mametraka ny tantsaha amin’ny fahaizany sy ny kolontsainy. Ny fambolena famahanana tany. Na velaran-tany kely aza ka tsara fahana, izay no tadiavina ho raharaham-pirenena. Mila fahanana izany ny orinasa tany.

– Ary ny rano ?

* Tokony hamboarina tohodrano betsaka hanondrahana ny tany volena. Izany hoe, hiantohan’ny mpitantana ireo fotodrafitrasa mampidi-drano. Anjaran’ny mpamboly avy eo, mikajy ny tany voleny. Hamafisina ny famahanana tany amin’ny alalan’ny fikarohana, mahory ilay tany, tsy ampy aminy. Ilaina manam-pahaizana manokana momba ny tany,  izay efa orinasa io. Mila akora fototra ho azy, toy ny zezika. Ampahafantarina ny tantsaha fa efa orinasa ny hiasany ankehitriny.

– Betsaka ny sakana amin’izay famelomana ny orinasa tany izay, ny fahitanao azy ?

* Olana eto amintsika, heverin’ny maro fa ho an’izay tsy mahavita fianarana ny fambolena. Rehefa tsy mahita atao intsony vao mamboly, nefa io ny orinasa lehibe indrindra manan-kaja, fototra iorenan’ny fivelomantsika. Hamaivanina io orinasa io, nefa tokony ho tompon-draharaha hifehy azy ny maro, hahatonga azy hiteraka orinasa marobe hafa indray. Ireo vokatra avy aminy, afaka mampihodina ny hafa any amin’ny fiompiana isan-karazany, ka ireo biby ireo indray manome zezika ho an’ny tany.

Ahoana indray ny hampandrosoana ireo vokatra hafa, lazainao fa orinasa hafa kely azo avy amin’ny tany ?

* Ilaina koa ny fikarohana ny amin’ireny, ohatra, ny masomboly, arakaraka ilay tany hanaovana fikarohana. Fikarohana amin’ny fiarovana ny voajanahary mba hampaharitra ny orinasa tany.

– Olana iray lehibe izao ny amin’ny fananan-tany, mampiverin-dalana ny maro. Ahoana ny handresen-dahatra azy ireo, indrindra fa ny tanora maro tsy an’asa, hiverina amin’ilay kolontsaina lazainao, fambolena sy fiompiana ?

* Tsy misy fambolena sy fiompiana mandeha na ahoana na ahoana raha tsy azo antoka ny tany.  ”Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara”.  Laharam-pahamehana, fampianarana ny tanora momba izany. Ahoana ny fanaovantsika fandaminana, ny rindran-damina momba ny fananan-tany. Ny zava-misy izao, resy amboalohany ny tantsaha maro anisa, voatsindry. Mifehy ny fananan-tany ireo milaza azy ho nianatra. Koa ilaina aloha izay rindran-damina izay hahazoan’ny tantsaha mifehy ny taniny, ilay orinasa fototry ny fampandrosoana. Efa manilika ny maro anisa ilay filazana fotsiny hoe tanim-panjakana.

“Tany malemy azo anorenam-pangady ho an’ny vahiny”

Amin’izao fotoana izao koa isika manafatra vahiny mpampiasa vola. Izy ireo tonga eto indray lasa mandroaka ny tany, miteraka olana goavana, tsy zakan’ny Malagasy.

 * Diso be izany ! Tsy mandroaka ny tanintsika eto ireo vahiny ireo fa ny mpitondra mifandimby manome tany ho azy ireo. Ry zareo mitady tany malemy azo anorenam-pangady, ary isika manome ho azy ireo. Aiza misy tany malemy azo ananganana orinasa afakaba ? Ho azy ireo, eto Madagasikara, maro akora fototra sy herintsandry mora. Ireo mpitondra firenena mihitsy tsy mifototra amin’ny tokony hifotorana, dia ilay orinasa tany.

– Sakana iray ihany koa eto aminsika ny tsy fahampian’ny angovo. Ahoana ny hevitrao?

 * Samy hafa amiko ny fandrosoana, alain-tahaka amin’ny fomba tandrefana sy ny fivoarana. Madagasikara mila fivoarana avy ato anatiny. Isika eto efa manana tantsaha sy kolontsaina amin’ny fambolena, mpiompy. Mila ampiana tosika izy ireo. Koa ilaina ny hanodinana angovo efa betsaka eto amintsika : rano, masoandro, rivotra, zava-maniry na “biomasse”. Ilaina ny fiaraha-miasantsika momba izany amin’ireo firenena efa lasa lavitra, ohatra, ry zareo “Rainiboto”. Raha angovo avy amin’ny solika, midangana be ny masonkerana sady manimba tany sy ny fahasalaman’ny olombelona tena harena. Aza hadinoina ilay ohabolan-drazana hoe “Tanimbary, fotaka ; aomby, biby ; vola, taratasy fa ny olombelona no harena”

 

– Rehefa misy ary ny vokatra ahoana indray ny lalam-barotra, manahirana ireo tantsaha  ihany koa, satria  olon-kafa mahazo tombony betsaka ?

* Io indray eto amintsika aloha voalohany, ny hamahanana vahoaka, ny hahatongantsika ho ampy sakafo avy ato anatiny hialana amin’ny fanafarana avy any ivelany. Mamokatra vola avy ato anatiny avy amin’ny fanodinana ireo vokatra isan-karazany avy ato anatiny. Isika akory tsy misakana vahiny mpampiasa vola fa tokony ho fantatsika ny miaro ny antsika, izay tokony hifampiraharahantsika amin’ireo avy any ivelany. Alefany ny azy, rehefa tsy manana fandresen-dahatra avy ato anatiny isika.

 – Ahoana ary izao ny fahitanao ny fihavanana, kolontsaina malagasy mbola miantoka ny toekarena ve izany izao ?

* Iray vatsy iray aina. Ny tsy fahafantarantsika ny lanjan’izany fihavanana izany ny mahatonga antsika mampiasa azy fahatany any amin’ny politika. Tsy voatery mpihavana ihany fa amin’ny mpiara-monina, atao hoe fokonolona. Fihavanana anisan’ny angovo mampihodina ny toekarena, amin’ny alalan’ny fokonolona : miantoka ny fandriampahalemana, araka izay vitany ; fokonolona afaka mitsinjo lavitra, mametraka lova ho an’ny taranany mampita ny kolontsaina, ilay hoe valim-babena. Nahita soa ary mamaly soa,  mitsinjo ilay vatsy mba hitombo tsara sy betsaka.

– Ary ny kolikoly ankehitriny manimba ny toekarena sy ny kolontsaina fihavanana ?

* Amin’ireo mpitondra mifandimby, tsy fitantanana firenena no hita fa fifehezana firenena. Mazava loatra, ireo olona ireo, tsy mitsinjo lavitra fa manao izay mahavelona azy haingana fotsiny. Mametraka ny fahefana avy any an-tampony fa tsy miainga avy aty amin’ny fototra, misy ny daholobe sy iainan’ny daholobe. Izany no miteraka hantsana lehibe eo amin’ny manana sy ny tsy manana, ka lasa mahazo toe-tsaina mpanjifa fotsiny ny rehetra fa tsy mpamokatra, mampahazo vahana ny kolikoly. Ny toekarena vanon-ko fahombiazana anefa ny olombelona tsara homana.

Nangonin’i R.Mathieu.

 

Les commentaires sont fermées.