Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hoy… izy ireo

 Ranöe, mpiray Faribolana tamin’i Om-Gui tao amin’ny Sandratra:

Teo amin’ny asa soratra, ankoatra ny tontolon’ny fitiavana, efa ahafantaran’ny maro azy, nampiavaka an’i Om-Gui ny fankafizany ny tontolo ambanivohitra. Angamba tsy dia fantatry ny olona loatra fa anisan’ireo tena niaro ny tontolo iainana izy. Olon’ny fanabeazana ihany koa i Om-Gui. Anisan’ny nampiasaiko tamin’ny fanomanako ny DEA ny boky nosoratany momba ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara

 

Razanajatovo Lala, nampianatra mozika an’i Om-Gui:

Tena manan-talenta i Om-Gui. Nahay nitendry zavamaneno maro izy. Anisan’izany ny valiha, gitara, harmonica, mandoline. Izy no namorona ny feonkira tamin’ilay hira « Tanala very sampy ». Asa sora-dRabearivelo izy io ka niarahany nihira sy nitendry tamin’ireo niara-nianatra taminy tao amin’ny Cnem. Mahay mifandray amin’ny tanora ihany koa izy. Tena tiany ny mitafa amin’ny tanora. Olona mavitrika sy tia asa i Om-Gui.

Nanangona : Landy R. sy HaRy

Les commentaires sont fermées.