Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Trafika harena voajanahary : « Handray andraikitra ny fanjakana”

Trafika harena voajanahary : « Handray andraikitra ny fanjakana”

Nankalazaina ny asabotsy 4 jona teo, teny amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (JME) ho an’ny taona 2016 ho an’i Madagasikara, raha ny 5 jona ny tena andro ofisialy. Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojia, Ndahimananjara Johanita, ny minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles. Nohitsiny fa “tsy azo ekena ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara ary efa mandray andraikitra mifanandrify amin’izany ny fanjakana…Misy fiantraikany amin’ny firenena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harena voajanahary”.

Anisan’ny fepetra noraisin’ny fanjakana ny nankatoavina teny amin’ny antenimierampirenena ny taona 2015 teo, ny lalàna manangana ny fitsarana manokana ho an’ny andramena. Andrasana ny didy fampiharana ny fijoroan’io rafi-pitsarana manokana io.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.