Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanome toky ny minisitra Zafilahy : “Manohana an’Ambatovy ny fanjakana” #canada #sherrit #ambatovy

Nanome toky ny minisitra Zafilahy : “Manohana an’Ambatovy ny fanjakana” #canada #sherrit #ambatovy

Fanaon’ny tetikasa Ambatovy ny mikarakara varavarana misokatra eto Antananarivo sy any Toamasina. Ahalalana bebe kokoa ity orinasa ity izany, sady hisorohana ny honohono sy ny tsaho ihany koa.

Nosantarina ny alakamisy 2 jona teo ny varavarana misokatra ataon’ny Tetikasa Ambatovy etsy amin’ny gara Soarano. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny solika, Zafilahy Ying Vah, fa andry iankinan’ny fanatsarana fidiram-bolan’ny fanjakana ny tetikasa Ambatovy. Nanome toky ny tenany fa eo akaikin’Ambatovy mandrakariva ny fanjakana manoloana ny fitotongan’ny vidin’ny akora avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ankehitriny.

« Tsy maintsy arovana ny tetikasa Ambatovy amin’ny alalan’ny fiarovana ny fampiasam-bola vahiny araka ny fehezin’ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany (LGIM)», hoy ihany izy.

Manampy sy mitondra fampandrosoana ny firenena ny Tetikasa Ambatovy ary maro ny efa nataony sy mbola tohizany. Toy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sady mitsinjo ny tontolo iainana. Eo koa ny fiarovana ny biby sy ny zavamaniry , ny fanavaozana ny tsena bazaribe any Toamasina sy any Moramanga.

Anjatony ny olona nofanina sy nampitana traikefa. Ny taona 2015, mahatratra 2.800 ny mpiasa teratany malagasy ary 4.300 ny mpiasa tsy mivantana miara-miasa amin’ny tetikasa.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.