Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Miantso fitoniana amin’ny faha-56 taon’ny Fahaleovantena ny tafika. Navoitran’ireo Komity mpikarakara ny fetim-pirenena fa homarihina ao anaty fitoniana sy miavaka ary am-pahendrena izany. Hisy ny hetsika samihafa. Seho an-tsehatra ; ny matso ; ny afomanga amin’ireo distrika 88 sy ny faritra 22. Ho hentitra koa ny fitandroana ny filaminana.

Niombon-kevitra amin’ny fiaraha-mitady vahaolana ireo ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanàn-dehibe, nanao atrikasa, hatry ny omaly tao Mahajanga. Nambaran’ny filoha mitarika, ny ben’ny Tanànan’Antsirabe, Razanakolona Paul, fa fampitambaran-kery hiantsoana mpamatsy vola koa izao. Niatrika izany ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Nosy-Be ; Sainte-Marie ; Toamasina ; Antananarivo ; Fianarantsoa ; Toliara ; Taolagnaro ary Ambanja sy Ambilobe.

Miverina, mandray ny asany ny mpitarika ny sendikàn’ny mpiasan’ny CUA, ny Dr Vonjy, araka ny didy navoakan’ny filankevi-panjakana, omaly. Nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ny tenany  taorian’ny nandroahan’ny minisiteran’ny Atitany azy, tsy ho mpiasam-panjakana intsony. Nivaly izany ka izao nandresy izao izy.

 

Les commentaires sont fermées.