Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hitohy ny orana ho an’ny tapany atsinanan’ny Nosy, mandritra ny efatra andro manaraka, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Manankery hatrany ny filazana mena momba ny habetsahan’ny rotsak’orana amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Mila mailo ny rehetra momba ny fihotsahan’ny tany sy ny fiakaran’ny rano tampoka vokatry ny orana. Mbola Alizay tsy marin-toerana no mamaritra ny toetry ny andro manerana ny Nosy, hatramin’ny faran’ny herinandro. Hidina ny maripana any Vakinankaratra ary hiitatra aty amin’ny faritanin’Antananarivo izany, manomboka anio. Nitohona be ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra vokatry ny orana omaly.

 

Les commentaires sont fermées.