Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Voafidin’ireo depiote hisolo tena azy eo anivon’ny HCDDED ny polisy misotro ronono, Rabetafika Fulgence. Natolotry ny HVM ka nahazo vato 44 izy raha 40 kosa ny azon’ny kandidàn’ny Mapar.
Tsiahivina fa fito ireo kandidà nifaninana ary telo hafa kosa nahintsana noho ny tsy fahafenoany ny fepetra. Andrasana kosa ny ho solontena iray avy amin’ny Antenimierandoholona ho eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny  tany tan-dalàna ary ny zon’olombelona (HCDDED) ity .

Mangataka fifampiresahana amin’ny Antenimieran’ny varotra ny Tiko. Nambaran’ny tale jeneralin’ity orinasan’ny filoha teo aloha ity, omaly teny Antaninarenina, fa vonona izy ireo ny handoa ny hofan-tany ho an’ny taona 2010 hatramin’ny- 2016 na efa tsy nampiasa ny tany intsony aza izy ireo. Haloa koa ny vola 15 tapitrisa Ar lany tamin’ireny raharaham-pitsarana ireny.  Na izany aza, manahy resaka ambadika politika izy ireo manoloana izao fizirizirian’ny Antenimieran’ny varotra izao.

Tsiahivina fa an’ny Tiko ny antsasaky ny tany eo Ankorondrano io.

 

Les commentaires sont fermées.