Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Raim-pianakaviana iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Bevondrona fokontany Analavory Ambanja, ny asabotsy tolakandro teo. Voalaza fa namono ny vadiny vao 17 taona monja ity lehilahy ity ka tsy namelan’ny fokonolona raha ny namoy ny ainy koa. Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ny fokonolona azy. Nofirain’ny olona tamin’ny antsy ny lohany ka tapaka avy hatrany. Nidina tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambanja.

Olona iray matin’ny lozam-piarakodia tao Ambohimasina Tsivatrinikamo Antsirabe II, ny asabotsy hariva teo. Fiara P.505 iray taksiborosy hihazo an’i Betafo no nifandona tamin’ny posiposy iray. Nisongona posy iray teo aloha ilay mpitondra posy iray taoriany. Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny olona iray niharam-boina. Olona roa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ka isan’izany ilay mpitarika posy.

 

Les commentaires sont fermées.