Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho faran’ny herinandro : nahazo tombony ny reny

Seho faran’ny herinandro  : nahazo tombony ny reny

Niavaka tsy tahaka ny nahazatra ny lanonan’ny faran’ny herinandro raha ny teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Saika niompana tamin’ny fankalazana ny « Fetin’ny Reny » ny ankamaroany.

Kalon’ny fahiny, hiran’ny omaly, milazalaza momba ny reny no nentin-dry Gothlieb, Luk, Salomon an-tsehatra tetsy amin’ny CCEsca Antanimena ny zoma alina.

Naneho ny fampiaraham-peo kanto tanteraka tetsy amin’ny Carlton Anosy i Nary sy Malala… Efa fanomezana goavana ho an’ny reny izay !

Fanehoana ny maha izy ny vehivavy, na ny teny an-tsehatra na ny votoatin’ny tononkalo. Izay ilay antsa « Fitafy anatiny » tao amin’ny CGM Analakely ny asabotsy teo

Tolotra tsara tsy ho an’ny reny ihany fa ho an’ny fianakaviana manontolo ny « Fetin’ny maman’ty » nahitana an’i Francis, Fou Hehy…, tetsy Antsahamanitra.

: Liva Andrianavalona , Kaysha Gasy… Saika andriambavilanitra no nampiara-peo tamin’i Olombelo Ricky nandritra ny « Che bel Canto » tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, omaly.

Nomen’i Poopy anjara toerana lehibe tetsy amin’ny Carlton , omaly, ny fitiavana ny reny.

Les commentaires sont fermées.