Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hitohy hatramin’ny rahampitso ny “Tsenabe ho an’ny reny” ao anatin’ny hetsika “La grande braderie de Madagascar” etsy Mahamasina. Hita ao avokoa ireo karazana fanomezana ho an’ny renim-pianakaviana. Ankoatra ny akanjo sy kiraro, ao koa ny haingon-trano, firavaka ary indrindra, ny kojakoja fikoloana ny endrika amam-bika. Ankoatra izany ireo kojakojan-dakozia manamora ny raharahan’i Neny ao an-trano. Efa nampanantena ny orinasa Madavision, mpikarakara, ny hetsika fa hanome fahafaham-po ireo reny rehetra tonga mitsidika ny GBM.

Nanomboka, omaly ary tsy hifarana raha tsy ny alahady hariva izao ny varotra fampirantiana hanamarihana ny fetin’ny reny izay tanterahina etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Manodidina ny 20 ny tranoheva hitondra ny karazana tolotra ho an’ny renim-pianakaviana mandritra ny telo andro.

Les commentaires sont fermées.