Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : resaky ny mpitsimpona akotry Adina tanalahy

Mampiresaka mampizarazara hevitra ny fikarohana ny loholona Lylison sy ny fisavana ny trano fonenany. Na ny mpikambana ao amin’ny Antemierandoholona aza dia miroaroa saina. Ao ireo senatera manankiana ny tompon’andraikitra amin’izany hetsika fanenjehana izany, andaniny koa ny Filohan’io Antenimiera io, Andriamatoa Rakotomanana izay nanazava ny tsy fahafahana manenjika senatera noho ny teny navaokany, nefa moa amin’ity raharaha ity dia toa tsy vitan’ny fitenenana fotsiny no antony fa araky ny voalazan’ny tompom-pahefana dia fanadihadiana mikasika heloka fanaingana olona hanao fanakorontanana.

Marina fa mampikorontana ny saim-bahoaka ny antso natao, ary ny fihetsika nanarahan’olom-bitsy izay fanaingana izay dia efa niteraka savorovoro. Izany hoe fanaovana “vohitra tsy miaina” izany dia efa miteraka fahasahiranana mitarika korontana eo amin’ny andavanandron’ny tsirairay. Efa zava-dehibe izany, ny antony voalaza amin’ny fanaovana izany dia ny faharatsian’ny fomba fitantanana. Aoka kosa ê! Ny hafahafa kokoa angamba no afaka ampirisika noho izany antony izany, hafahafa no izay olona niray petsapetsa tamina fitondrana izay tsy nahavita inona, ary azo heverina toy izao fiheveran’Ingahy senatera ny amin’izao fotoana izao fa tsy nahomby. Satrin’Andriamatoa Rajaonarimampianina moa afaka nanilika ny rihitra misy ankehitiny tany amin’ny tsy fisiam-bokatra izay lovainy, fa pataloha tery aminy izay, toy ny mandrora mitsilany izany fialàna adidy izany, ny tenany moa dia anisan’ny tompon’antoka ambony tamin’izany fitondrana izany.

Masiaka koa raha masiaka ny senatera Lylison tato ho ato, misokatra ny masony, arahaba soa, nefa raha nikipy hatramin’izay raha mbola niray dia tamin’ny fitondrana teo aloha izay nanana ny kilemany ihany koa, dia amin’ izao fotoana izao lasa ahiratra tampoka eo? Dia adino ve ny lasa, na hoe aza ny fitaritarihana izany hoe tetezamita vetivety izany ho lasa tetezamihisatra na tetezamiitatra nandritra ny dimy taona. Dimy taona tantely angamba ho an’ny mpitondra sy ireo nanodidina azy niara-nisitraka, dimy taona nangidy ho an’ny maro no sady nampihisatra ny toekarena. Mbola ho korontana hanararaotan’izay efa miomana amin’izany ve no tanjona? Tsy misy mangidy tsy andramana hoy ny fitenenana, efa nandramana ny ngidin’ izany, na fohy tadidy aza ny vahoaka tsy hiantsapy intsony amina hazo feno tsilo izay mbola izakany lailay.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.