Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Parlemanta : tetehin’ny governemanta atao alasafay ny fandanian-dalàna

Parlemanta : tetehin’ny governemanta atao alasafay ny fandanian-dalàna

25 andro izay ny fivorian’ny Antenimiera roa tonta. Tsy misy zava-bita na iray aza amin’izao  fivoriana ara-potoana voalohany izao: fandinihana sy fandaniana volavolan-dalàna. Vaky vava aza ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin, teny Tsimbazaza, afakomaly: Tonga maraina, miverin-kariva; tonga maraina miverin-kariva… Tsy misy asa ny solombavambahoaka. Inona no antony?”

Lazaina fa misy volavolan-dalàna 20 mahery. Inona ny volavolan-dalàna tokony hoentina eto amin’ny Antenimierampirenena amin’ny fiainam-bahoaka, hanatsarana ny fiainam-bahoaka? Izay no mahamaika anay”, hoy izy. Lany ny fotoana amin’izao tsy fisian’ny volavolan-dalàna izao. Rehefa avy eo, totoafo ny fandinihana sy fandaniana izany: roa andro dia laniana, araka ny fanazavany. Satria izay ilay politika…

Tsy mahavita ny asany ny governemanta

Mbola tsy nanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera roa tonta izao, efa nambara fa anisan’ny maika, ohatra, ny volavolan-dalàna momba ny fifandraisana. Mby aiza? Ela fikenona ny governemanta. Misy ny manahy politika maloto, fa mety hiova amin’izay mialoha ny volavolan-dalàna izany noho ny toe-draharaham-pirenena. Avy eo, ho totoafo na atao amboletra ny fandinihana sy fandaniana azy?

Ho izany koa ny amin’ireo volavolan-dalàna hafa toy ny amin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana taona 2016, ny amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM)… Raha tsy misy ambadika politika ny raharaha, tsy manao sy tsy mahavita ny asany ny governemanta. Toy ny tsy hahavitany inona amin’ny famahana ireo fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa: lany andro sy rondoha mamono afo?

Lany ihany ny volam-bahoka

Amin’izany, lany ihany ny volam-bahoaka. Mitomboka isan’andro ny tambin-karama ho an’ireo loholona sy depiote. Samy tsy mahavita ny asa andrasan’ny vahoaka aminy na ny mpanatanteraka na ny mpanao lalàna. Fandanian’ny parlemanta lalàna aza anaovana paipaika sy kajikajy politika maloto. Vao mainka fa ny sarin’ady amin’ny ady amin’ny kolikoly, ohatra, na ny harem-pirenena gaboraraka… ?

R. Nd.

Une réponse à "Parlemanta : tetehin’ny governemanta atao alasafay ny fandanian-dalàna"

  1. Botabota  27/05/2016 à 11:31

    Marina ny zavatra ambaran’ny député voafidy tany Arivonimamo, fa ny mahagaga anie na izany na tsy izany, efa tsapa izany fitavozavozana rehetra izany, fa rehefa alefa eny anefa hatramin’ny izay, ka ho amin’io ho avy io, ny volavolan-dalana rehetra io toa lany daholo, ny resaka débat moa izany dia azo antoka fa tsy hisy mandrakizay, fa ny hita teny rehefa mba nijery ny zava-misy ny tena, dia migorona toy ny rano avy an-tendrombohitra ny fahalanian’ilay volavolan-dalana, zara raha misy manohitra, fa ny mpanao vato fotsy ary no toa betsaka nohon’ny mpanohitra!

Les commentaires sont fermées.