Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tiko Andranomanelatra : nobahanan’ny olona ny vavahady

Tiko Andranomanelatra : nobahanan’ny olona ny vavahady

Hatrany Antsirabe ny sakantsakana ! Tsy nihemotra ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo vahoaka marobe tao Andranomanelatra Antsirabe, omaly, fa nanohitra. Nikasa ny hiditra sy hanao amboletra ao amin’ny orinasa Tiko an’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ireo andiana mpitandro filaminana sy tompon’andraikitra sasany any an-toerana.  Tsy neken’ny vahoaka anefa izany ka nametraka ny sakana rehetra sy nandrehitra kodiarana fiara izy ireo. Nilaza ny manamboninahitra iray fa efa nampirimina ny fitaovam-piadian’izy ireo ary tanam-polo ka nilaza ho vonona ny hifampiresaka. Nidrikina anefa ny lehiben’ny distrika fa tsy maintsy sokafana io vavahady io. Nilaza ny hampihatra ny lalàna amin’ireo manakantsakana koa ny hafa saingy notoherin’ny vahoaka izany. Tsy mbola mazava, hatreto, ny anton’ny hidiran’ireto tompon’andraikitra maromaro ireto ao amin’ity orinasan-dRavalomanana ireto. Andrasana ny ho tohiny !

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.