Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rakotomanana Honoré : “Tsy misy izany tsimatimanota izany”

Rakotomanana Honoré  :  “Tsy misy izany tsimatimanota izany”

Misy ary voafaritry ny lalàmpanorenana ny hoe: azo enjehina sa tsia ny parlemantera? Azo enjehina toy ny olon-drehetra ny parlemantera. Misy koa ny tsy azo anenjehana azy. Raha, ohatra, ao anatin’ny lapa izy, maneho hevitra: na inona na inona ataony ao, tsy azo enjehina izy.”

Io ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, teny Antaninarenina, omaly, manoloana ny hoe fisavana ny tranon’ny loholona Lylison René de Roland, izay mbola tsy fantatry ny birao maharitry ny Antenimierandoholona, raha ny omaly maraina.

Raha, ohatra, aty amin’ny toerana ivelan’ny fivoriana ka mivory ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena: tsy tokony hotabatabaina ny parlemantera, araka ny fanazavany.

Raha manao heloka, tsy misy izany tsimatimanota izany”, hoy izy.

Raha manao heloka koa ny parlemantera: raha tsy tratra ambodiomby, angatahina ny fanalana ny tsy fahazoana manenjika sy misambotra azy. Raha tratra ambodiomby izy, tsy alana intsony izany tsy fahazoana manenjika sy misambotra azy izany, araka ny And. 73 ao amin’ny lalàmpanorenana.

Nohamafisiny fa tsy tokony hisy tsimatimanota eto Madagasikara.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.